Nandray anjara mavitrika tamin’ny Forum Démocratie 2024 nokarakarain’ny FES na Friedrich Ebert Stiftung teny amin’ny Novotel ny 26 martsa 2024 ny antoko RCR-TOLONA, tarihin’ny filoha nasionaliny Atoa Laza Razafiarison.

Maro ny mpitsidika ny trano eva RCR, ary liana ny amin’ny fotokevitra na ideolojia : “Fifohazan-tsaina” na consciencisme, resy lahatra fa ny hany vahaolana tokana dia ny fanovan-drafitra. Mitombo hatrany ny olon’andraikitra vonona ny hanohana sy hiara-dia. Tsy ny isa no henjehina sy zava-dehibe, fa mamporisika sy mampijoro anay ny fahafantaranay fa tsy vitsy ianareo no te hanova ny rafitra mba hanarenana amin’izay ny firenena.

Ity ny flyer nozaraina hoan’ireo mpanatrika

🎦 Horonantsary fohy

Misaotra ny kamarady nifanolo-tanana rehetra.
Misaotra ny mpikarakara FES nanasa ny antoko RCR.

Vaovao rehetra >