Ny 05 Jiona lasa teo no notanterahin’ny vaomiera sosialy RCR/TOLONA ny famaranana ny hetsika fizarana spiruline tao amin’ny EPP Ampangabe Imerintsiatosika.
Tonga nanatrika ny delegasionina sosialy, izay tarihan’ny Vice-Président sy ny solotenan’ny voamiera sosialy.
Nohazavaina tamin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra teny an-toerana, ny tombotsoa azo avy amin’ny Siruline hoan’ny fahasalaman’ny ankizy.
Fivoarana lehibe no hita teo amin’ny ankizy mpisitraka. Mahomby ny hetsika spiruline. Azo atao anaty politika hiadiana amin’ny tsy fanjariantsakafo ny hetsika sosialy tahaka ny spiruline.
Fisaorana no atolotra:
- Ny SPIRUSUD Toliara
- ny malala-tanana rehetra nanohana ara-bola na ara-kevitra
- Ireo mpianatra, mpampianatra ary tale ao Ampangabe
- Ny mpikambana RCR rehetra nandray andraikitra
- Laingo sy Laza Razafiarison, filoha mpitarika ny antoko RCR
Horonan-tsary famintinana