Hifidy ben’ny tanàna indray Antananarivo ato ho ato, dia hifidy olona manam-bola sy malaza indray ny gasy fa izay ihany no mba tiany.

Jereo ity korontana eo amin’ny fifamoivoizana, tsy misy ilàna code de la route intsony fa samy manao izay tiany hatao.

Transport public ve dia fitaovana mahazaka olona iray no ekena hanao azy? Mitsofotsofoka hoazy eny ny moto sy bisikileta.

Ny olona nianatra famahàna olana toy izany tsy tian’ny gasy fa heveriny fa adala ianao raha miteny hoe mila mahay théorie vao manao pratique.

Aiza ve ka mpandraharaha no ankamaroan’ny ben’ny tanàna sy PDS nifandimby teo nandritra ny 25 taona nifandimby izay.

Dia hifidy olona tsy mahay administration na kely aza indray izao Antananarivo.

Sady raha miova ve ny ben’ny tanàna dia ho afaka ny fako? Tsy hisy tondra-drano? Ho foana ny embouteillage? Hilamina ny tsena? Hadio ny lakan-drano?

Tsia no valiny satria mila miova statut Antananarivo vao mivaha ireo, ovaina manontolo ny rafitra itondrana ny commune fa ny mety hampiavaka ny olona nianatra fotsiny dia mba tsy hiteny hoe vitany irery ny manova an’io zava-misy io.

Isaky ny mandalo Antananarivo aho dia voan’ny sery fa tena miaiky anareo ao aho.

Noheveriko fa efa nandroso be Antananarivo satria nahazo deputé vaovao daholo, nampanantena fandrosoana daholo mantsy ry zareo t@ propagande teo. Dia mbola hino indray izao ianareo amin’ny fifidianana ben’ny tanàna hoavy io.

Laza Razafiarison

Vaovao rehetra >