Koa satria efa laharana voalohany eran-tany isika amin’ny lafin-javatra maro; Ahoana no hatao mba itazomana izany laharana izany fa araka ny efa nolazaina dia tsy hoe mihemotra isika fa mitodika any aoriana.
Voalohany amin’ny fahalotoana,
Voalohany amin’ny fahantrana,
Tsara toerana amin’ny fahaizana kolikoly,
Tsara toerana amin’ny fanimbàna tontolo iainana,
Tsara toerana amin’ny delestage,
Tsara toerana amin’ny tsy fisian’ny rano,
Tsara toerana amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana,
Tsara toerana amin’ny fialonana,
Tsara toerana amin’ny fihatsarambelatsihy,
Tsara toerana amin’ny tsy fandriampahalemana,
Tsara toerana amin’ny fanolànana ara-nofo,
Tsara toerana amin’ny vono olona isan’andro,
Sns.
Raha tia hitazona ireo laharana ireo isika dia tsara tohizana amin’izao rafitra efa misy izao fa mahomby izany io rafi-pitondrana sy rafi-piarahamonina ary io rafitra toekarena io.
Saika adinoko fa hay mampigadra ny miteny hoe mifohaza dia aleo atao hoe matoria.
Laza Razafiarison