Ankizy 180 mahery no misitraka spiruline, vokatra vita malagasy ho fanampin-tsakafo. Ny RCR vaomiera sôsialy no mikarakara ny hetsika ao Imerintsiatosika mandritra ny telo volana.
“Ity hetsika karakarainay ity dia natao hanampiana ny ankizy hitombo ara-batana sy ara-tsaina ka havitrika amin’ny fianarana. Mila tohanana amin’ny lafiny rehetra ny ankizy, raha tiana ho azo antoka ny hoavin’ny firenena. Ny antony dia izao: raha tsy ampy sakafo ny zaza, hatrany am-bohoka ka hatramin’ny faha-2 taonany, na ilay antsoina amin’ny teny vahiny hoe “Les 1000 premiers jours” , dia tsy hivoatra araka ny tokony ho izy ny atidohany ary ho votsa ny sainy ka sady tsy afaka hianatra lavitra loatra izy no tsy afaka hamokatra ho an’ny firenena”, hoy ramatoa Marie-Ange Philippe, avy ao amin’ny vaomiera sôsialy.