Marobe ireo tanora tafiditra eo amin’ny sehatry ny asam-panjakana no mba nieritreritra hitondra fanovàna, tonga ara-potoana, tsy mandray tsolotra, sns

Rehefa niasa volana vitsivitsy dia mahatsapa fa toa manao kitoatoa daholo ireo mpiasa efa tranainy, misy aza ny miteny hoe mba ohatry io izahay tamin’ny voalohany fa toa tsy misy miraharaha. Ao ireo mampirisika hoe izay hivelomana atao fa aza manofy hitondra fanovàna izany, raiso raha misy manome vola sns.

Manomboka eo dia adino ny fiofanana, ny fianarana natao, ny fianianana sns.

Hanao inona tokoa moa izany raha eny anivon’ny parlemanta aza tsy avela hiteny? Mba nafana fo ery tamin’ny voalohany fa rehefa voapempo matetika hoe mangina ve tsy hangina tokoa? Dia tsy afaka hanolotra volavolan-dalàna na dia iray akory izany mandritra ny 5 taona fa tsy tafiditra anaty vondrona parlemantera?

Tsy afaka misolo vava ny vahoaka izany fa voafehin’ny fitsipika anatiny?

Impiry koa moa no nanazavana théorie teto fa tsy mihaino ny maro fa heveriny fa ianao no be théorie.

Iaraha mahita ankehitriny fa tsy misy ilàna io parlemanta io fa ady an-tsena no atao ao ka izay efa zatra mitabataba no maharesy.

Rafitra vaovao mihitsy no hasolo an’io fa miandry ny rehetra hiaiky fa rafitra maty io ka tsy ahafahana manova zavatra.

Dia hoavy indray ny fifidianana Ben’ny tanàna dia mbola hisy hiteny indray hoe hitondra fandrosoana nefa ireo solombavambahoaka mba nanana finiavana aza tsy afaka miteny amin’io rafitra io.

Mbola tsy hiaiky mihitsy ve sa hoe satria ny RCR tsy mizara vola dia tsy mety aminay?

Résistance au changement no iantsoana io phénomène io satria manana izay toetra izay ny rafitra rehetra fa misy fomba ahafahana manova fa tsy hoe mba tia hanova dia mety. Firy moa ireo niditra tao izay ka afaka nanova tokoa? Izy ireo indray aza no niova. Hisy formation RCR indray tsy ho ela ho anao izay liana fa hatreto dia mitombina ny voalaza ka tsy maintsy hiafara amin’ny KO izao zava-misy izao rehefa tsy misy mihaino.

Laza Razafiarison

Vaovao rehetra >