Mila mangataka amin’ny ray aman-dreny ve ny ankizy hoe aiza ny vary sy ny laoka fa efa 6 andro izahay no tsy nihinana?
Mila ampahatsiahivina ve hoe “noana izay ilay zanako ao”?
Efa nisy fotoana/taona ve tsy nisy fitakiana vatsimpianarana teny amin’ny Anjery manontolo?
Azo adika ve hoe “Ray aman-dreny” ny mpitondra raha manadino ny sakafo tokony ho an-janany?
Izahay ato amin’ny RCR dia mahatsapa fa azo atao ny manome vatsimpianarana 120 000 Ar isam-bolana ho an’ny mpianatra raha tiana ny hanao izany.
Io kajy io no niainganay ka nanoloran’ireo mpamatsy vola ny vatsimpianarana RCR izay mitohy mandritra ny 10 volana.
Isaorana ireo mpamatsy vola ary isaorana ihany koa ny mpikambana RCR nandrindra izany.
Satrinay hanome vatsimpianarana anareo rehetra. Fantatray ny fijalianareo satria izahay sady manan-janaka eny no efa nianatra teny amin’ny Anjery manontolo ihany koa.
Mankahery anareo amin’ny fitakiana fa sarotra ny hanantena fiovàna raha tsy manova rafitra isika mba tsy hiverimberenan’ny krizy intsony.
Samia mivoy sy mitaky ny fanovan-drafitra fa matoa maharitra sy miverimberina toy izao ny fitakiana dia rafitra maty izany.
Laza Razafiarison