Soatoavina

Mifameno

Ny RCR dia mametraka ny fifamenoana ho ivon’ny asany. Mino izahay fa harena tsy manam-paharoa ho an’ny fiarahamonintsika ny fahasamihafan’ny talenta, ny fahaiza-manao ary ny fomba fijery. Amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ny olona avy amin’ny lafivalon’ny fiainana, mikendry ny hamorona vahaolana vaovao sy mifanaraka amin’ny fanamby maoderina izahay. Ho anay, midika fiaraha-miasa izany, amin’ny alalan’ny fanomezana lanja ny anjara asan’ny tsirairay ho an’ny soa iombonana.

Mifampiera

Ny fifampierana dia fototra amin’ny fomba fandraisana fanapahan-kevitra ataonay. Miezaka hitady ny marimaritra iraisana betsaka indrindra, amin’ny alalan’ny fifampidinihana sy fifanakalozan-kevitra. Mino izahay fa ny fanapahan-kevitra tsara indrindra dia avy amin’ny dingana ahitana ny fandraisan’anjaran’ny rehetra, izay ahafahan’ny feo tsirairay henoina sy hodinihina.

Tsy miandany amin’ny finoana

Ny antoko RCR dia miaro ny fitsipiky ny tsy fiandaniana ara-pivavahana. Manolo-tena izahay hanaja sy hiaro ny fahalalahana ara-tsaina sy ara-pivavahan’ny tsirairay, sady mitandro ny tsy hahatonga ny raharaha anatiny hiandany amin’ny finoana. Ity tsy fiandaniana ity no fototra iray lehibe amin’ny fiarahamonina miara-miaina am-pilaminana sy feno fanajana, na inona na inona finoana.

Samy tompon’andraikitra

Ity foto-kevitry ny RCR ity dia manambara fa miaraka zakain’ny mpikambana rehetra ny vokatra ato anaty antoko, na ratsy na tsara. Eo ihany koa ny fahavononana handray andraikitra, ary dia tanterahina hatramin’ny farany izany andraikitra izany araky ny fahafahana hananan’ny tsirairay.